Ny foko sy ny fonao
Il est un thème que j'aime particulièrement, et en malagasy uniquement: ny vintana sy ny anjara (la chance et le destin). Il est prévu avec Sandy, d'écrire sur ce sujet lorsque le temps nous accordera un semblant de répit. Et de combler le manque de post en malagasy dans ce blog. En attendant, j'ai trouvé ce poème inspirant:
NY FOKO SY NY FONAO
Mazava tsy azo takonana
Tsy ravan’izay fialonana
Tsy taitran’izay maso vao
Raha ny foko sy ny fonao.
Ny Avo no efa
nanambatra,
Natao hiaraka ho
sambatra,
Natao hiaraka
hiangola,
Hitobaka harena sy
vola.
Ny Anjara no efa nametra
Hibaiko ny zava-drehetra
Ary hitondra ity tany ity
Haneho ilay tena fitia.
Ny Lahatra no efa
voatendry
Handrafitra soratra
hendry,
Hampitombo ireo
voninahitra
Hitsimoka tahaka ny
ahitra.
Ny Vintana no efa voambara
Hitetika ny soa sy ny tsara,
Hivatsy izay hoe hafaliana,
Notadiavina sy mba nofidina.
Ny taona no mbola
hifanesy
Hampiainga mbola
handresy;
Fa ny foko sy ny
fonao
Dia najoro tsy
hifandao
Fredy JAOFERA