Ny Reny
En ces temps de la fête des mères, un poème dédié. Désolée pour la traduction, mais déjà que ce n'est pas un exercice que j'affectionne, mais alors dans un style maîtrisé qu'est ce poème de Fredy Jaofera, ce n'est pas évident!
NY RENY
Ny reny no silak'Andriananahary
natao hamololona ny tany rehetra ;
manam-pitiavana no voabaribary
fa mamy tokoa ary tsy misy fetra.
Ny reny no ananganana tranomanara,
tsy ilaina
hoderaina fa atao ao am-po ;
Mahalala mizaka no mbola voambara
ho azo itarainana raha misy manjo.
Ny reny no natao mpamafy ny vary
ho tena masoandro feno hafaliana ;
kanefa matetika fa ny tsiparifary
no tena jinjainy ao anaty mangina.
Ny reny no fanome valim-bavaka
handrakotra mora ny lanitra soa ;
na lasan-ko vovoka, hitanao miavaka
ho lafo dia lafo no tsy hisy indroa !
FREDY JAOFERA