L'odyssée de Tattum

Odyssée sans frontière pour découvrir Madagascar, une enfant du pays, autrui et ailleurs. 

29 Marsa 1947

30 mars 2007 à 23:12 |  Catégorie  Madagascar| Actualités

Je complète la commémoration du 29 Mars 1947 avec ce poème-hommage de Fredy JAOFERA, que je tiens à remercier ici et à saluer pour ses poèmes.

29 Marsa 1947
Fantatrareo moa ity zava-nitranga
nampahonena izay tao Moramanga,
nataon'ny mpanjanaka sady nibahana
an'ireo Malagasy nitady fahafahana ?

Fantatrareo ve fa andao tantaraina
ny ady nipoaka nahakivy ny saina ;
ny rà nikoriana toa eran'ny Nosy
naha-voazanaka sy tena voahosy ?

'Reny tafondro toa nampihorohoro,
niampy ny basy nahay nampikoro
no re isan'andro sy isa-minitra
ka faty daholo no hita nitsitra !

'Reny nandohalika maro dia maro,
resy sy lanaka fa hoe mbola niaro
'ty tanindrazana haren-tsarobidy,
nampigadraina hitondra mangidy.

'Reny nikiaka niantso vonjeo,
nandrakotra hatrany ny efa toreo,
kely finoany an'izay mba niriny
rehefa nanao izay mba tsy tiany !

'Reny voalefona tsisy nandrasana,
tonga nanjary nameno ny fasana,
nampitomany an'izay velon'aina,
na aiza na aiza no mba tanisaina...

Izany sy izany no atao hoe tantara
ka nampahoriana an'ilay Gasikara,
nidradradradrana fahaleovantena
ho antsika rehetra izay nanantena.

Fredy JAOFERA

Egalement de l'auteur: Ny foko sy ny fonao (que je ne me lasse de relire à l'occasion)


Home1

Commentaires

faly miarahaba
mankasitraka amin'ny tonokalo satria tsy vitan'ny rima miady sy angola-teny fotsiny izy eto fa manampy ny mpamaky ahalala bebe kokoa ny tantaran'ny nosy
28 aprily 1948-28 avrily2008 tsineritaona nitifirana ny lieutnant Albert RANDRIAMAROMANANA asa raha mba afaka manoratra tonokalo mikasika izany isika
misaotra indrindra

par Mi-Aina sazykely , 29 avril 2008 à 13:35 | back to top  

Home1

Poster un commentaire


 


 

 

 




Rétroliens

URL pour faire un rétrolien vers ce message :
http://www.canalblog.com/cf/fe/tb/?bid=38838&pid=4500192

Liens vers des weblogs qui référencent ce message :